Contact

Inona no antony hitiavanareo hifandray aminay ?

Mifandraisa aminay

Fenoy ireto manaraka ireto mba hahafahantsika mifandray.

Fangatahana fiaraha-miasa

Formulaire fangatahana fiaraha-miasa

Mandefasa sary aty aminay

Alefaso aty aminay ny sarin'ny fivoharanareo

Fangatahana torohevitra

Formulaire fangatahana torohevitra

Fat To Fit

Fanoratana anarana amin'ny Fat to Fit

Inona no fanirianao ?

Regime Tsy maharitra régime Culpabilite

Efa nanao régime ve ianao ?
Tsy naharitra hatramin’ny farany ve ianao ?
Niampatra nisesika ilay karazan-tsakafo izay nofadianao efa ela ve ianao tamin'izany, toa ny vary, paty, ovy, mofo, mofomamy, glasy, sokola …  ?
Tsaroanao fa nanamelo-tena sy kivy tamin’ny tenenanao ve ianao tamin’izany fotoana izany ?

Tamin’ny tapitra ny régime nataonao, diso fanantenana ve ianao satria tsy nety nihena akory ny tavy manodidina ny kibonao, na ny fe, fa tany an-kafa indray no nihena toa ny tany an-tanana na fitombenana indray ohatra no nihafisaka ?

Abdos
Leo ny manao abdos aman-taonina ve ianao nefa mihamafy fotsiny ny kibonao fa tsy mba mihena akory ?
Efa nanandrana hotra na menaka mampahia tamin’ny kibonao na ny feanao ve ianao nefa tsy very 10 santimetatra akory ?
Efa nanandrana nisotro dite mampahia na tambavy mampahia ve ianao nefa tsy nety nihena akory ny kibonao ?

Medicaments

Efa nampifandimby régime maro ve ianao satria tsy naharitra ela tamin’ireo izay efa nandramanao ?
Leo ny mifady ireo sakafo tianao, toa ny vary, paty, mofomamy, hena, sokola, glasy, pizza … ve ianao ?
Efa niaritra mafy ny aretin-kibo sy ny fivalanana noho ny fisotroana dite mampahia na tambavy mampahia ve ianao nefa tsy nihena intsony afaka herinandro vitsivitsy taty aoriana ?

Hamburger


Poignees d amour
Tsikaritrao ve fa misy tavy manodidina ny valahanao (amin’ny sisin’ny kibo) izay mananosarotra ny fanidiana ny patalohanao ?
 

Cuisses dans short

Manana akanjo maro izay tsy sahinao hanaovana noho ny tahotra/henatry ny fijerin’ny olona ny vatanao ao anatin’ilay izy ve ianao ? Na koa hoe tsy antonina anao intsony izy ireny ?
Leo ny jerijeren’ny olona , fosafosan’ny manodidina, na tondro-molotrin’ny olona ve ianao noho ny bikanao ?
Leo ny mahita tovovavy mampidera ny vatany tsara bika any anaty magazines, horonan-tsary, clipy na eny an-dalana ve ianao ?
Rehefa mandeha mividy akanjo ianao, sahirana ve ianao vao mahita akanjo izay tianao nefa antonina anao ?

Vetements a votre taille

Te hihena ve ianao ?
Tianao ve ny hanena ny kibonao ?
Nofinofinao ve ny hanena ny tavy amin’ny sisin’ny kibonao (poignées d’amour) mba hanamora ny fanidiana ny patalohanao ?
Te hividy akanjo tsara tarehy sady antonina anao amin’izay ve ianao ?
Tianao ve ny hividy bikini ary manao an’izany tsy misy complexe ?
Te mba haharitra tsy ho solafaka amin’ny fakam-panahy ka tsy hiampatra hisesika hihinan-kanim-be intsony ve ianao ?
Nofinofinao ve ny mba hanintona olona bebe kokoa ?
Tena irianao ve ny hatoky tena bebe kokoa ?

Izany hoe, tianao ve ny hihena ary tsy hiverina hitombo ho toa ny taloha intsony ?
Te hanena ny haben’ny kibonao ihany koa ve ianao ?
Ary tianao ve ny hahazo izany rehetra izany nefa tsy mila mampijaly tena manao régime ?
Efa hanananao eny am-pelatananao ny lakile an’ny fahombiazanao. Efa ianao no « tompon’ny lakile » an’ny fahombiazanao ...

Trousseau de clé

Indrisy anefa fa tsy mbola fantatrao fotsiny ny varavarana izay hovoaina amin’izany.

Fa alohan'ny hamakianao an'izay ato amin'ito tranon-kala ito dia hadinoy daholo izay fiheverinao rehetra momba ny fihenana.